Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny CSB Diana
Tafiditra ao anaty laharam-pahamehan’ny fitondrana ankehitriny ny fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana eny ifotony. Mihezaka izy ireo arak’izany amin’ny alalan’ny fananganana foto-drafitr’asa mendrika ho an’ny vahoaka sy manao ny fanatsarana ny fotodrafitr’asa nisy teo aloha sy manampy ny efa eo ampelatanana.
Tontosa ny asa fanarenana sy fanitarana ny CSB Betsiaka, Distrikan’Ambilobe noho ny fiaraha-miasan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Orinasa Madagold ary ny Kaominina Ambanivohitra Betsiaka. Foto-drafitrasa izay novatsian’ny Kaominina Ambanivohitra Betsiaka vola ary ny fanitarana sy ny asa fanarenana ary ireo fitaovana nampiasaina kosa dia niandraketan’ny Madagold avokoa. Niroso tamin’ny fitokanana araka’izany ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy ny voalohan’ny herinandro io.
« Mendrika foto-drafitrasa tsara sy vaovao ny vahoaka Malagasy, isan’ireo laharam-pahamehan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka izany ankehitriny » raha ny fanambarana nataon’ny solotenan’ny Ministera izay tonga nitokana ny fotodrafitr’asa teny an-toerana.
Tanjona raha ny nambarany hatrany « ny hijerena mivantana ny zava-misy eny ifotony, ahafahana mitondra ny fanatsarana, na ny lafiny fandraisana marary, na ny lafiny fahadiovana, ny fitaovana sy fandaminana ny foto-drafitr’asa, noresahany manokana tamin’ izany ny fampiharana ny « 5S ». Asa avy hatrany ity fa tsy kabary, tohizana hatrany ny ezaka efa natomboka amin’ny fanatanterahana ny programa ankapoben’ny Fanjakana sy ny velirano faha 5″.
« Mahafinaritra ny mahita ny Orinasa tsy miankina mahay mifanolo-tanana amin’ny Fanjakana mba ho fanatsara ny fiainam-pahasalaman’ny vahoaka ety ifotony. Efa antitra tokoa raha ny fotodrafitr’asa sy ireo fitaovana entina miasa taloha eo anivon’ity CSB ity, koa rariny raha nasiam-panavaozana » hoy i Lisy, mponina ao an-toerana.
Miezaka hatrany tokoa ny eo anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoka midina ifotony mijery ireo fotodrafitr’asa tokony harenina sy asiam-panatsarana mba tsy hisian’ny fitanilana eo amin’ny fitsaboana ny samy olom-pirenena.
Fanja Rakotoarisoa
