ActualitésTatitra

Irak : Miparitaka ny covid-19

Adinodino fa mbola misedra valan’aretina ny firenena maro amin’izao fotoana. Olona 17 izao no raisin’ny Hopitaly al-Shifaa fotsiny ao Bagdad. Ao anaty trano fameloman’aina ny 40 amin’ireo. Tery ny toerana ka olona maromaro no voatery miray efitra.Miakatra ny taha ao an-toerana nefa mbola tsy resy lahatra amin’ny fanaovam-baksiny ny mponina. 95% ny marary ao amin’ny trano fameloman’aina hoy ny tale lefitry ny hopitaly, Ali Abdel Hussein Kazem no tsy vita vaksiny.40 tapitrisa ny mponina ao Irak, 10 tapitrisa na 25% izany ihany no vita vaksiny raha ny voalazan’ny minisitry ny fahasalamana, Seif al-Badr. Latsaky ny 7 tapitrisa tamin’ireo no nahazo fatra roa ary latsaky ny ny 100 000 no nanao fatra telo. Misy toerana fanaovam-baksiny 1 400 ao an-toerana hoy izy saingy sarotra ny mandresy lahatra ny mponina.

Laisser un commentaire