ActualitésTsidika

Sabotsy Namehana : Mahafaly ny olona ny fahavitan’ilay lalana mivoaka eny Tsarasaotra

Efa hita manangasanga ny fahavitan’ny lalana makany Sabotsy Namehana, izay mivoaka any Tsarasaotra ankehitriny, ka manomboka velom-bolo ny mpampiasa iny lalana iny. Betsaka ny nankasitraka ny nanaovana ity lalana ity mba hanamorana sy hahavetivety ary hampihenana ny fitohanana.

« Tena ilaina tokoa ity lalana ity satria miala eo Tsarasaotra dia mahazo ny lalam-baovao ka vetivety dia tonga eny Sabotsy Namehana, satria raha ny teo aloha mantsy dia mbola mandala eo Analamahitsy, kanefa eny tena be toham-boivoy mihitsy » hoy i Eloh, mponina ao Namehana. « Tokony ho vitaina tsara amin’izay mba tena ho lovain-jafy marina tokoa satria tena manamora ny fiainam-bahoaka amin’ny andavanandro mihitsy izany » hoy i Tojo, mponina ao Antsofinondry. « Manakaiky hatrany ny vahoaka ny fitondram-panjakana, ary mahalala ny tena ilainy, fa kosa tsy miara-vita akory izany fa mandroso tsikelikely isika » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny asa vaventy.

Rehefa tsara tokoa ny lalana dia misokatra hoazy any amin’ny fampandrosoana isika, ary betsaka ny sehatra handroso amin’iny faritra iny, toy ny fambolena sy ny fihariana ary indrindra ny fitsidihana ny toerana. Hita taratra eny amin’ny endriky ny mponina ny hafaliana amin’ny fahavitan’ity lalana ity.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire