ActualitésTsidika

Toamasina : Tafiditry ny mpangalatra ny Oniversite

Efa tena sarotra tokoa ny fiainana amin’izao, ka maro ireo tsy mahafehy intsony ny amin’izay tokony ho ataony. Vehivavy iray izao no tratran’ireo mpianatra nisoloky sy nangalatra tao amin’ny campus Barikadimy Toamasina.

« Efa tena sarotra tokao ny fiainana ka mahita teti-dratsy foana ny olombelona. Mbola betsaka anefa ny asa mila fanatevenana, toy ny fambolena sy ny fiompiana, satria isika aza mbola manafatra sakafo » hoy i Henri, mpianatra ao amin’ny Oniversiten’i Toamasina. « Miditra an-tsehatra hatramin’ny renim-pianakaviana ity satria tsy misy intsony ny hohanina. Tsy miha sarotra intsony ny fiainana fa tena efa sarotra mihitsy » hoy i Hery, mponina ao Toamasina.

« Tokony handray ny fepetra mihitsy ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny rehefa misy mpangalatra tratra mba hisorohana ny fitsaram-bahoaka, satria tena mafy tokoa izany very fananana izany, ka tsy voafehy intsony ny fihetseham-po » hoy i Philbert, mpampianatra ao amin’ny Oniversite Toamasina.

Latsaka anaty fahasahiranana tokoa isika ankehitriny, hany ka miseho ny vaky trano, ny hala-jaza, ny famonoan’olona sy ny asa maro tsy mendrika rehetra. Mbola misy fanantenana ve ny hiarenana indray ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire