ActualitésSportTsidika

Alasora : Tsara ny voka-dalao nandritra ny lalao voalaohany tamin’ny « tournoi intercommunal »

Notontosaina ny sabotsy teo ny andro voalohany no sady fanokana ara-pomba ofisialy ihany koa ny fifaninanana ara-panatanjahan-tena iraisan’ny distrika Avaradrano, eo amin’ny taranja Basket-ball (touroi intercommunal). Ho an’ny kaominina Alasora manokana, tsara ny voka-dalao nandritra izany lalao voalohany izany.

« Teo amin’ny sokajy vehivavy, nandresy ny ekipan’ny kaominina talata Volonondry tamin’ny isa 41 no 31 ny kaominina Alasora. Tahaka izany ihany koa ny teo amin’ny sokajy lehilahy satria nandresy ny kaominina Anjeva tamin’ny isa 56 no 36 ny ekipan’ny kaominina. Azo lazaina ho namiratra ny ekipa tamin’ity lalao voalohany ity » hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

« Misy valiny avokoa ny ezaka sy ny fiomanana tsara rehetra. Izany anefa tsy entina mirehereha fa entina ivoarana sy hanatsarana ny lalao ho avy hatrany. Hisaorana ny tomponandraikitra rehetra manohana hatrany sy ny ray aman-dreny ihany koa” hoy ireo mpilalao.

Tsara hatrany ny vokatra nasehon’ireo ekipa mpilalao avy ao Alasora nandritra ireo lalao natao tamin’iny faran’ny herinandro iny. Anisan’ny hireharehan’ny kaominina tokoa izany satria izy ireo izay tena nanomana mafy ity fifaninana ity ary miandrandra fandresena lavitra ao anatin’izany.

Manitra R.

Laisser un commentaire