Ambodirano Ampefiloha : Trano miisa 35 ravan’ny afo
Nitrangana fahaimaizana tety amin’ny faritry ny fokontany Ambodirano Ampefiloha, omaly tolakandro. Trano miisa 35 tafo no may kila nandritra izany. Zaza nilalao afo tao amin’ny tokatrano iray no voalaza ho antony nahatonga ny firehetana. Ireo mpiara-monina no nifarimbona namono ny afo mandrapahatongan’ny mpamonjy voina. Naharitra ora iray ny famonoana ny afo ary saika tsy misy ho raisina intsony ny fananana rehetra.
