ActualitésTsidika

Avaradrano : Efa afaka alaina eny amin’ny tobim-paritry ny zandarimaria ny taratasy fiantsoana hidirana ho mpianatra zandary

Efa tonga eny amin’ny tobim-paritry ny zandarimaria (brigade)  ny taratasy fiantsoana amin’ny fifaninanana hidirana ho mpianatra zandary, amin’ity taona ity. Efa afaka alain’ireo mpifaninana eny an-toerana izany, araka ny voalaza.

“Efa maro amin’ireo mpifaninana no nanotany sy niandry ny fivoahan’ity taratasy fiantsoana amin’ny fifaninanana hidirana ho mpianatra zandary koa indro efa tonga eny amin’ny brigade izany ankehitriny ka manentana ireo voakasika ho avy haka izany” hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.

Ho an’ny distrika Avaradrano, afaka eny amin’ny brigade Ambohimangakely, Ambohimalaza, Ambohimanga rova, Ankadinandriana, Alasora, Ankadikely ary Sabotsy Namehana izany. Afaka miantso ny laharan-tariby kosa ireo mila fanazavana fanampiny mhakasika izany fifaninanana izany.

Manitra R.

Laisser un commentaire