Tokony hiditra an-tsehatra amin’ny resaka politika ve ny vehivavy?
Tsikaritra ho nahazo sehatra teo anivon’ny governemantan’i Ntsay Christian ny vehivavy satria miisa 11 be izao ireo vehivavy voatendry ho Ministra raha 32 no tena isan’ny Ministra. Ny 1 ampahan-telony noho izany no nomena sehatra ny vehivavy.
Efa manomboka hita taratra eto amin’ny firenena ny fampiroborobana ny vehivavy izay efa niadian’izy ireo fatratra ny mba hisian’ny « Miralenta » izany hoe ny fitovian-jo indrindra amin’ny asa fampandrosoana ny firenena tahaka izao. « Aleo kosa mba hiditra an-tsehatra ny vehivavy mba hisian’ny fahasamihafan’ny fijery, amin’izay tsy ny lehilahy foana no hiditra an-tsehatra » hoy i Rolland, mpampianatra.
« Ravaky ny tokantrano sy ravakin’ny lalana tompoko ny vehivavy fa tsy ravakin’ny Politika; tsy tokony hiditra amin’ny resaka politika araka izany izy ireo » hoy kosa i Roger, mpitarika varamba . « Tsy adala akory ny Tompo nisafidy ny mpianany ho 12 lahy fa tsy 6 vavy sy 6 lahy » hoy ihany koa ny hafa tetsy an-kilany.
Marina ve izany ? Tsy natokana ho an’ny vehivavy ve ny resaka politika ? Iza anefa no ao ambadikin’ny lehilahy mpanao politika ? Nahoana noho i Lalatiana Rakotondrazafy no nosafidian’ny filoha ho mpitondra ny teny avy amainy fa tsy lehilahy ohatra? Raha ny taloha no jerena dia ny vehivavy tsy alefa mianatra fa ampianarina dieny kely hikarakara tokatrano ; fa ankehitriny kosa efa maro ny vehivavy milofo sy mikiry amin’ny fianarana. Tsy misy tokony hijerena ny zehy ny sehatra rehetra fa natokana ho an’ny rehetra na lahy na vavy.
Nicole Rafalimananjara
