PolitiqueTsidika

Tontosa ny lanonana famindram-pahefana eo amin’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria

Vita tamim-piralahiana ny 16 aogositra teo tamin’ny 10 ora maraina tao
amin’ny toby Jeneraly Mohajy Betongolo ny famindram-pitantanana teo amin’ny
Jeneraly Gelle Serge, sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria vaovao
sy ny jeneraly Ravalomanana Richard, izay nitana izany andraikitra izany
teo aloha.

Tonga nanotrona izany ny Jeneraly Komandin’ny Zandarimariam-pirenena, ireo
tomponandraikitra ambony eo anivon’ny Sekretariam-panjakana sy ny
Fibaikoana ny Zandarimariam-pirenena sy ireo Manamboninahitra jeneraly avy
ao ami’ny andiany faha 17 tao amin ‘ny Akademia miaramila Antsirabe izay
andiany niara -nihira tamin’ny SEG vaovao ary ireo mpanao gazety.
Taorian’ny fisafoana ireo andian-tafika izay nanome voninahitra ny lanonana
dia roso tamin’ny fanaovan-tsoniany fitanana an-tsoratra ny roa tonta ary
narahan’ny fifandimbiasam-pitenenana.

« Misaotra ny filoha Andry Rajoelina nametraka ny fitokisana tamin’ny
jeneraly mpiadidy ny zandarimaria teo am-panatanterahana ny asany nandritry
ny roa taona sy tapany na dia maro aza ny fanenjehana isan-karazany » hoy i
Ravalomanana Richard. Asa tsara hotsarain’ny vahoaka hoy kosa ny Jeneraly
Gelle, no hanaporofoana sy hanamafisana ny filàna sy ny fijoroan’ny
Zandarimariam-pirenena eto amin’ny tany sy ny firenena. Nilaza ihany koa
izy fa hotohizana hatrany ireo paik’ady efa hita fa tsara ary hohatsaraina
izay hita fa nahitana lesoka. « Hifandimbiasana ny toerana ary tsara raha
miova hatrany ny mpitarika mba hahitana paik’ady vaovao » hoy ny
fanehoan-kevitry ny olom-pirenena iray. Hinoana mba hivoatra hatrany izany
sehatra iray izany izay tena antoky ny fandriam-pahaleman’ny vahoaka tokoa.

Mety hisy ve ny paik’ady tsara sy mahomby ho an’ny tsy
fahandriam-pahalemana izay mampijaly ny vahoaka tokoa ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire