Anosy Avaratra: Hisy fizaham-pahasalamana maimaim-poana ho an’ny zokiolona
Hisy ny fizaham-pahasalamana maimaim-poana ho an’ny zokiolona, 65 taona no mihoatra ao amin’ny hopitaly Anosy Avaratra, rahampitso Alakamisy 18 aprily 2024.
« Tena ilain’ny zokiolona ny hetsika toa izao. Amin’ny maha olona marefo azy ireny, maro no tsy afaka mamonjy toeram-pitsaboana noho ny fahasahiranana sy ny tsy fahafahana noho ny antony samihafa, indrindra fa ny ara-bola » hoy i Maxim, zokiolona.
« Zava-dehibe ny fanohanana ny zokiolona, indrindra fa ny fandraisana an-tanana ny fahasalaman’izy ireny. Hisaorana ny kaominina eto an-toerana manao ezaka amin’ny fikarakarana, tahaka ny hetsika toa izao » hoy i Fenosoa, mpirotsaka an-tsitrapo.
Tsara ho marihina, fa mandritra ity hetsika ara-pahasalamana ho an’ny zokiolona ity, dia fizaham-pahasalama ihany no hita ao an-toerana, fa tsy misy ny fizarana fanafody.
