PolitiqueTatitra

Mayotte : Namerina nanangana ny hetsika « Wuambushu » indray ny governemanta, ho enti-miady amin’ny ady an-trano sy ny fifindram-monina tsy ara-dalàna

Iray taona taorian’ny nametrahana ny « opération Wuambushu », izay natolotry ny ministeran’ny ati-tany, ao Mayotte, sy ny ministra misahana ny raharaham-bahiny any an-toerana, dia nanao fanambarana ny governemanta, omaly talata fa ho averina ny hetsika fampandriana fahalemana ao amin’ity nosy ity. Hatramin’ny omaly maraina, nanatanetraka ny hetsika fampandriana tany ireo zandary sy polisy tao an-toerana, ka nanao fisafoana mba hijerena ireo mpifindra monina tsy manara-dalàna, hisorohana ny mety ho fihanaka sy fiparitahan’ny zava-mahadomelina ao an-toerana. 1700 ireo mpitandro filaminana ahetsika ao anatin’izany, ary aharitra 11 herinandro ny fanatanterahana ny hetsika.

Laisser un commentaire