SocialTatitra

France : Nitombo ny isan’ny zaza voan’ny « coqueluche »

Mampanahy ny fitrangan’ny aretin’ny taovam-pisefoana, eo amin’ny zaza, nanomboka ny fiandohan’ity taona 2024 ity, raha ny fanambarana nataon’ny sampandraharahan’ny fahasalamana, tao amin’ny hopitaly iray ao Nice, France. Nahatratra folo no isan’ireo zaza nisedra izany aretina izany ; araka ny voalaza, ka tao anatin’izany, misy amin’ireo zaza mena vava no voatery miditra sampana fameloman’aina. Herinandro vitsy teo izao, zaza mena vava iray, anisan’ny zandriny indrindra satria vao teraka herinandro vitsy no namoy ny ainy vokatr’izany. manoloana izany, manaitra ny tomponandraiki-panjakana ireo avy amin’ny sampana fahasalamana ao Nice, mba hanatanteraka hetsika vaksiny enti-miady amin’ity aretina ity, izay mora mifindra tokoa.

Laisser un commentaire