SocialTatitra

La Réunion : Fiara iray sy moto nifandona

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray teny amin’ny Boulevard Lancastel any Avaratra andrefana any La Réunion omaly alarobia 2 jona tolakandro nanodidina ny tamin’ny 3 ora tany an-toerana izany. Faritra Saint Denis ity toerana nisehoan’ny loza teo amin’ny fiara sy moto nifandona vao afaka kely ny tetezana Pasteur. Tonga teny an-toerana haingana ny mpamonjy voina namonjy ilay mpitondra moto, lehilahy 40 taona izay naratra teo amin’ny tongony ary nentina haingana tao amin’ny CHU any Bellepierre. Tsy nampijanona ny fifamoivoizana akory izany fa nitohy tamin’ny ankavia ny lalana. Tsy nisy ny aina nafoy fa ilay mpitondra moto ihany no naratra.

Laisser un commentaire