ActualitésTatitra

Maurice : Mahery ny 16 833 isan’ny mponin’i La Réunion nitsidika ny nosy ny volana desambra teo

Mbola toerana ankafizin’ny mponin’i La Réunion indrindra hialana sasatra ny nosy Maurice. Raha ny antontanisa navoakan’ny Statistic Mauritius ny alarobia teo dia nahatratra 16 833 isan’ny mponin’i La Réunion tonga tao an-toerana ny volana desambra 2022 teo raha 361 monja izany ny volana desambra 2021.

Raha ny isa hatramin’ny volana janoary ny taona lasa teo kosa dia efa nahatratra 997 290 isa ny mponin’i La Réunion nitsidika an’i Maurice. Marihana fa tamin’ireo 16 833 isa ireo dia 11,8 alina (en moyenne) ny faharetan’ny fijanoan’ireo mpitsidika ireo ny nosy.

Laisser un commentaire