Belgique : Zazavavy 13 taona no hita faty tao anaty ala tsy lavitr’i Liège
Zazavavy 13 taona no hita faty tao anaty ala tsy lavitr’i Liège tao Belgique. Raha ny fizahana natao tamin’ny razana dia niharan’ny fanolanana io zazavavy io. Raha ny fanadihadiana kosa dia lehilahy antsoina hoe Olivier Theunissen no nahavanona ny loza. Nosarihan’io lehilahy io tao amin’ny tambajotra Snapchat hiantsena amin’ny vola 3 000 Euros io zazavavy io ary roboka tokoa.
Rehefa tonga teny amin’ny fotoana nifanomezana nefa izy ireo dia heverina fa noteren’io lehilahy io hiray taminy ilay zazavavy. Fantatra fa nandà ary niaro tena ilay zazavavy. Hita niankohoka ny razany ary voavely teo amin’ny lohany. Hita faty nanaton-tena fotoana vitsy taorian’ny tranga kosa ilay nanao ny herisetra.
