Alasora : Fokontany roa nanatanterahana fanadiovana faobe
Fokontany miisa roa tao anatin’ny kaominina Alasora no nanaovana fanadiovana faobe, tamin’ny herinandro lasa teo. Nanatanteraka izany moa ny fikambanana Kolotanana, izay miandraikitra sy manentana amin’ny fanadiovana ao an-toerana.
« Manomboka izao ary hitohy amin’ny fitetezana ireo fokontany maro ny asa fanadiovana ataon’ny fikambanana Kolotanana. Ny hanentanana ny mponina hatrany moa anatin’ny hetsika dia ny mba hitandroan’ny tsirairay ny fahadiovan’ny tanàna » hoy ireo tompon’andraikitra avy amin’ny fikambanana.
« Misy hatrany ny ezaka izay ataon’ny fikambanana ary ilaina ny manentanana ny mponina etsy ankilan’izany. Anisan’ny fepetra tsara raisina ao anatin’izany anefa ny fametrahana ireo daba-pako isaky ny kihon-dalana, indrindra fa amin’ireo toerana izay be mpanary fako » hoy i Laza, mponina ao Alasora.
Alasora madio, maha te honina. Izay no tanjon’ny fikambanana Kolotanana. Marihina fa tao amin’ny fokontany Amboaroy sy Ambodivondava no nanatanterahan’izy ireo izany asa fanadiovana faobe izany, ny alakamisy sy talata teo.
Manitra Ramanantsoa
