K’s 4 Mindshift : Toerana iray ahafahana misitraka fanampiana sy torolalana amin’ny sehatra maro
K’s 4 Mindshift, vakiana hoe « keys for mindshift », ary afohezina hoe K4M, izany hoe lakilen’ny fivoaran’ny toe-tsaina. Izany no anjara andraikitr’ity « cabinet » iray ity : ny hanova ny tontolo amin’ny alalan’ny famoahana ny maha-izy azy ao amin’ny olombelona, mba hitondra azy amin’ny fahafenoana amin’ny maha-olona, ka ho lasa tompon’andraikitra amin’ny fampivoarana ny fiainany sy ny manodidina azy izy. Manana tolotra maro isan-karazany izy ireo amin’ny fanatanterahana izany. Ny tena tanjon’ny K4M dia ny hampiroborobo ny fiainan-tsoa amin’ny sehatra rehetra misy ny olombelona : any an-tokantrano, ao amin’ny sehatry ny fianarana sy ny asa, eo amin’ny fiaraha-monina.
« Manampy ny olona rehetra izay mahatsapa tena fa te hivoatra, te hivelatra amin’ny maha-olona azy, izahay. Ohatra hoe : te hahalala bebe kokoa ny tenany, te hanana fahasalamana sy fialaminan-tsaina ary fiadanam-po (ny fitambaran’ireo telo ireo no mahatonga amin’ny fiainan-tsoa), te hiala amin’ny sakana ara-tsaina, te hanana toetra na toe-tsaina vaovao, sns. Fahalalana sy fahaiza-manao mifototra amin’ny fikarohana siantifika sy traikefa avy amin’ny sehatry ny « psychologie » avokoa no entin’ny K4M miasa, atolotra ny mpisitraka ny asanay”, hoy i Kolo Randriamanana, Mpitantana ny K4M, izay psychologue (mpanohana ara-tsaina) sady ho an’ny olon-tsotra no ho an’ny toeram-piasana sy toeram-panabeazana.
Ankoatra ny fandraisana olon-tsotra, dia manome fampiofanana sy atrik’asa ary hetsika ara-kasa isan-karazany, ho an’ny toeram-piasana, na mpiasa, na vondron’olona, na toeram-panabeazana, ny K4M, toy ny : « coaching » na fanampiana olona/ekipa/toeram-piasana mba hahatratra tanjona iray na maromaro; « orientation scolaire / professionnelle » na fanampiana amin’ny fifanandrifian’ny maha-izy azy sy ny fianarana/asa; « team development » na fampivoarana ny ekipa; « change management » na fitantanana ny fiovana). Efa maro samihafa ihany koa ny sehatra afaka ahitana azy ireo, eo amin’ny fiaraha-monina, izay manova hatrany ny foto-pisainana hiabo : eny amin’ny tambazotran-tserasera, eny amin’ny haino aman-jery, miara-miasa amin’ny mpikirakira hetsika ho an’ny ankizy, ny tanora na ny fampandraharana. Ny soatoavin’izy ireo dia ny : Fanajana – Fikarohana – Firotsahana – Fiainana ny maha-izy azy – Fahatanterahana.
Miora Raharisolo
