Amoron’i Mania: Hisitraka tetik’asa hanarenana ny tsy fanjarian-tsakafo.
Dépêche 06 avril, 13h, Amin’izao fotoana izao dia 49% amin’ireo zaza latsaky ny 5 taona ao amin’ny faritra Amoron’I Mania no hianjadian’ny tsy fanjarian-tsakafo. Hiadiana amin’izany dia misy ny tetik’asa entin’ny FAO, UNICEF ary ny PAM ho fanatsarana ny fampisakafoanana amin’ny alalan’ny “approche mutlisectorielle (IFNA). Haharitra roa taona maninjitra izany fotoana izany. Mikendry ny fanatsarana ny fahazoana ireo sakafo be otrikaina, fanatsarana ny kalitaon’ny sakafo any amin’ny faritra Amoron’i Mania ity tetik’asa ity.
