Ambohimalaza : Manjaka ao an-toerana ny tsy fandriam-pahalemana
Anisan’ny mampikaikaika ny mponina,indrindra ireo amin’ny tontolo ambanivohitra, ny tsy fandriam-pahalemana amin’izao fotoana izao. Lasibatry asa ratsy ihany koa ary manjaka ny tsy fandriam-pahalemana, ao amin’ny kaominina Ambohimalaza, araka ny voalaza.
« Tsy milamina intsony ny tanàna. Efa tsy mijanona amin’ny hala-botry madinika na ny halatra akoho sy biby fiompy isan-karazany ireo mpanao ratsy. Ny omby efa lasibatra ihany koa ary efa tonga hatramin’ny olombelona izany » hoy i Hery, tompona tsenam-barotra iray.
« Na aiza na aiza amin’izao fotoana izao dia manjaka ny tsy fandriam-pahalemana. Firaisan-kinan’ny mponina, ny fiaraha-mientana ho fanenjehana sy hanatratra ireo olon-dratsy no tokony hatao. Raha ny mpitandro filaminana mbola maro ireo zavatra takian’izy ireo vao ho tratra ny mpanao ratsy » hoy i Santatra, mponina ao Ambohimalaza.
Manoloana izany indrindra, dia manao antso avo ny fiaraha-mientan’ny rehetra ny mponina ho famongorana ny mpanao asa ratsy. Indrindra ny fandraisana andraikitry ny mpitandro filaminana ao anatin’izany.
Manitra R.
