ActualitésTatitra

Chine : Olon-tsotra tonga lavitra i Robin Li

Mpandraharaha Chinois i Robin Li, Li Yanhong no tena anarany. Teraka ny 17 novambra 1968 tao Yangquan ao Shanxi izy. Tafiditra ao amin’ny lisitr’ireo olona 10 voalohany manan-karena indrindra ao Chine ny tenany.Mponina ambanihovitr’i Chine i Robin Li. Tao Pékin izy no nahazo ny marim-pahazina “licence en informatique” ary nanohy “master” tao Etats-Unis. Niasa avy hatrany izy tao aorian’io ary naka traik’efa tamina orinasa maromaro alohan’ny namoronany ny orinasa « Baidu ».Tranon-kala fikarohana toy ny Google saingy amin’ny teny mandarin ny « Baidu », tao Pékin tao an-trano izy sy ny namany iray Eric Xu no namilavola azy ary vetivety ihany dia niroborobo izy. Niaina toy ny olon-tsotra rehetra i Robin Li saingy efa nazava tao an-tsaina ny sehatra tiany niasana ka nanamora ny nahatongavany tamin’izany.

Laisser un commentaire