Ankadikely Ilafy : Nahasarika olona maro ny « Caravane medicale »
Ny talata 28 febroary teo no nandalo tao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy ny fitsaboana mitety vohitra (caravane médicale), izay hetsika ara-pahasalamana natolotry ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka sy ny association Fitia. Fitiliana sy fitsaboana karazan’aretina maro no hita tao an-toerana nandritra izany, ary nahasarika olona maro.
« Fahombiazana tanteraka ny hetsika fitsaboana mitety vohitra natao teto amin’ny kianja Fifankatiavana Ankadikely Ilafy. Tolotra maimaim-poana izay nahitana karazana fizaham-pahasalamana maro lafy araka ny sokajiny avy. Hisaorana ny fitondram-panjakana sy ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny hetsika sy ny fitsinjovana ny sosialim-bahoaka » hoy ny avy amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy.
« Zava-dehibe ho an’ny vahoaka malagasy ny fanatanterahana hetsika tahaka izao. Ny fahasalamana no voalohan-karena ary manan-jo hisitraka izany avokoa ny rehetra. Hirariana moa ma hisian’izao hetsika izao manerana an’i Madagasikara » hoy i Jocelyn, mponina ao Ankadikely Ilafy.
« Sarobidy ny aiko ». Io no loha-hevitra nampitondraina ny hetsika caravane médicale tamin’ity taona ity. Izao hetsika izao ihany koa izay tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny fihaonambe ho an’ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy ary fanatanteraha ny velirano fahadimin’ny filoham-pirenena, dia ny « fahasalamana ho an’ny daholo be ».
Manitra R.
