ActualitésTatitra

Maurice : Tontosa ny fampiofanana fandraharahana ireo vehivavy manodidina ny 30 isa

Vevivavy manodidina ny 30 isa no nahazo taratasy fanamarim-piofanana fandraharahana izay natao nandritra ny 8 herinandro. Notontosaina tao amin’ny Agarwal Building tao Ébène ny lanonana nanakatonana izany, izay natrehin’ny kaomisera ambony lefitry ny masoivoho britanika, Sally Harrison.

Ny taona lasa teo no nisian’ny andiany voalohan’ny Entrepreneur Empowerment Program. Manoloana ny fahombiazan’izany dia niara niasa ny Rotary Club de Phoenix sy ny Ong WeEmpower nanatontosa ny andiany faharoa natao hoe Women Empowerment Program izy ireo. Ny tanjon’io fampiofanana io dia ny fanomezana ireo vehivavy mpandraharaha na ireo maniry ny hisetra eo amin’izany ny fitaovana sy fahalalana ilaina rehetra hanombohana na hanatsarana orinasa raha ny fanazavana.

Nilaza ny talen’ny Rotary Club de Phoenix, Kurt Jowree fa ankoatran’ny ho an’ny tenany manokana dia handray anjara amin’ny fampandrosoana ny toekaren’ny firenena ihany koa ireo vehivavy ireo.

Laisser un commentaire