ActualitésTsidika

Alasora: Hisy fanamboaran-dalana eo Alatsinainy Miadana sy Ambohitromby

Hisy ny fanamboaran-dalana manoloana ny “Résidence Miotisoa” manomboka rahampitso alakamisy, araka ny fampahafantarana nataon’ny avy ao amin’ny kaominina Alasora. Mety hiteraka fanelingelenana ho an’ireo mpampiasa ny lalana eo Alatsinainy Miadana sy Ambohitromby izany, araka ny voalaza.

“Ao anatin’ny ezaka ataon’ny kaominina ho an’ny fampandrosoana ny fanamboaran-dalana. Aharitra roa andro ity asa fanamboarana eto Alatsinainy Miadana- Ambohitomby ity ka hampahafantarina ireo mpampiasa azy ny mety ho fanelingelenana haterak’izany” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

“Tena mbola maro ireo lalana mila fanamboarana ety ifotony. Mila jeren’ny tomponadraikitra izy ireny satria raha vao miditra ny fotoanan’ny fahavaratra dia hampijaly ireo mpampiasa lalana, indrindra ireo lalana famoaham-bokatra, mampijaly ny mponina” hoy i Donné, mponina ao Alasora.

Antoky ny fampandrosoana ny fanamboaran-dalana. Ny kaominina Alasora dia anisan’ny manao ezaka amin’ny fanatanterahana izany ary mamaly ny filàn’ny mponina eny ifotony. Miankina amin’ny enti-manan’ny kaominina ihany anefa no ahafahana manatontosa ireo asa eny ifotony isan-karazany.

Manitra R.

Laisser un commentaire