ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Hisy ny fampianarana sy fampiofanana ny teny, sakafo, kolontsaina japoney

Hisy ny fampianarana sy fampiofanana ny teny, sakafo, kolontsaina japoney ao amin’ny kaominina Ambohimanambola. Fiaraha-miasa eo amin’ny kaominina sy ny mpilatsaka an-tsitrapo japoney avy ao amin’ny JICA no manolotra izany fampianarana izany izay atao mandritra ny 09 herinandro.

« Isaky ny alarobia mandritra ny sivy herinandro no hanataneterahina ny fiofanana izay omen’ny kaominina sy ny solo-tena avy amin’ny JICA ka manomboka amin’ny 1ora tolakandro izany. Ao amin’ny efitrano malalaky ny kaominina ihany no hanatanteahina izany ary hisy ny fizarana attestation ho an’ireo manatritra fanadinana ».

« Ilaina, ary mahaliana, ilay fiofanana satria japon dia anisan’ny firenena matanjaka eto amin’izao tontolo izao, ilay kolontsainy ihany koa miavaka izay anisan’ny nampandroso azy. Opportunité ho an’ireo te hianatra na handala ny teny japoney io fiofanana io » hoy i Nomena tanora, mpianatra, mponina ao amin’ny kaominina.

Amin’ny alarobia 14 septambra no hisy fivoriana izay atao amin’ny biraon’ny kaominina ihany, no sady fisoratana anarana ho an’ireo tanora na olon-dehibe liana amin’ity fiofanana ity.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire