Actualités

Ambatolaona Manjakandriana : Nitrangana lozam-pifamoivoizana

12 Septembre, 15h15, Tsy amin’ny lalam-pirenena na amin’ny fitaterana ambony rano na an’habakabaka ihany no ahitana lozam-pifamoivoizana fa ahitana izany ihany eny amin’ny fitaterana an-dalamby. Toy ity tetsy Manjakandriana ity, fiarandalamby mpitondra solika ana orinasa iray izao tra-doza izao raha hihazo an’Antananarivo izy. Niala tamin’ny lalamby ny « wagon » roa, ka izany no niteraka izao loza izao. Tsy nisy ny aina nafoy ary efa eny antoerana ny mpitandro ny filaminana miandry ireo solika.

Laisser un commentaire