ActualitésTsidika

Toliara: Hotanterahina any an-toerana ihany koa ny tetik’asa “hazavao ny elakelantrano”.

Hisitraka ny tetik’asa “hazavao ny elakelantrano” ihany ny faritry Toliara izay azo lazaina ho faritra mena ihany koa amin’ny asan-jiolahy sy ny vaky trano. Hatomboka amin’ireo faritra tena mena amin’ny tsy fandriam-pahalemana izany asa izany.

“Araka ny tanjona amin’ity tetik’asa ity dia ny hampihena ny tsy fandriam-pahalemana no tena zava-dehibe ka izay no antony hametrahana ny hazavana na ny jiro amin’ireo faritra mena ireo. Arak any fanambin’ny Filoham-pirenena ihany koa dia tokony hitovy avokoa ny Malagasy rehetra ka izany no antony hametrahana ireo jiro ireo mba hahafahan’ny rehetra misitraka filaminana”, hoy ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoran’afo tamin’ny fandalovany tany an-toerana.

Amin’ny maha-toerana alavitra an’ny Toliara dia tsy dia handalovan’ny Filoham-pirenena matetika izy ity ka izany no antony nitondrana izao fanavaozana izao ho an’io faritra io. Etsy ankilany anefa dia mijanona ho teny avokoa ireny rehetra ireny rah any filazan’ireo mponina any an-toerana. Ny amin’ity tetik’asa izay hatomboka ny 23 sy 24 martsa izao ity no hirariana hotanteraka antsakavy sy andavany.

Ankoatra izany fametrahana ity tetik’asa ity izany dia nanao fitsidihana tampoka ny toby famokarana herinaratra ao Andranomena ihany koa ny Minisitra, tsapa nandritra izany fa ampy ny herinaratra hampiasaina ao anatin’ny faritra. Niara-dalana tamin’ny dian’ny Filoham-pirenena tany an-toerana izao fotoana izao ka ankoatra izany dia nitondra fanampiana hoan’ireo mponina sahirana noho ny rivo-doza farany teo ny Fiadidiana ny Repoblika.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire