Maurice : Nanomboka omaly ny taom-pandoavana fisotroan-dronono
Nanomboka omaly alarobia ny taom-pandoavana fisotroan-dronono tao amin’ny paositra. Tokony nanomboka ny 1 janoary teo izany saingy nahemotra noho ny tsy fotoam-piasana. Mbola ireo mpisotro ronona manana anaram-pianakaviana miatomboka amin’ny A sy B ihany nefa no nisitraka izany.
Raha tsiahivina dia efa nanazava i Jayraj Ittoo, Business Development and Marketing Manager ao amin’ny Mauritius Post fa andeha araky ny filaharan’ny alfabeta ny fizarana io fisotroan-dronono io. Nanomboka tamin’ny 9 ora ny fizarana ny vola omaly fa ho an’ny androany kosa dia hanomboka amin’ny 8ora 15 minitra hatramin’ny 3 ora 30 minitra izany ho an’ireo anarana miantomboka amin’ny C sy E hoy io tompon’andraikitra io.
