République du Congo : Fahoriana ho an’ireo tovovavy ny mivoaka ny trano
Ankizy 20 000 eo ho eo no mirenireny ao renivohitr’i congo, namorona vondrona na « gang » mampiasa ny herisetra ara-nofo toy ny batisa fidirana ao amin’ny vondrona na sazy. « Vampire » no iantson’ny mponina ireto andian-jazalahy ireto ao an-toerana noho ny izy ireo mivezivezy amin’ny alina.
Tovovavy iray antsoina hoe Elena, 15 taona no tonga tao amin’ny toeram-pitsaboana iray tao an-toerana ka nitaraina fa nodorohana zava-mahadomelina ary naolan’ny iray tamin’ireo « vampire » ireo indray alina. Toy ny ankahamaroan’ny tovovavy ao an-toerana moa dia tsy nahasahy nitory izy no ny fahatahorana ireto andian-jiolahy ireto. Napetrak’izy ireo mantsy fa izay mitory dia hiaran’ny valifaty.
