Haïti : Tsy latsaky ny 2 200 no maty nandritra ny horohoron-tany
Nitombo indray ny isan’ny maty nandritra ny horohoron-tany tao Haïti ny 14 aogositra teo. Nanambara ny manam-pahefana ny alahady 22 aogositra teo fa olona 2.207 no namoy ny ainy tao atsimo andrefan’ny Caraïbes. Mbola 344 ihany koa ireo olona tsy hita ary 12 268 no naratra nandritra ity loza voajanahary ity. Efa nihena ny fanantenanireo mpamonjy voina sy ireo olona manohy ny fikarohana ahita olona velona. Anisan’ny andrasan’izy ireo ihany koa ny “aide humanitaire” izay tsy mbola tonga ao an-toerana.
