ActualitésTsidika

Famitana ny tranobe R+4 eny Ivato

Araka ny fampanantenana nataon’ny filoham-pirenena nandritra ny fampielezan-kevitra nataony, efa mandroso tsikelikely amin’izao ny fanatanterahana ireo velirano natao. Efa eo andalam-panamboarana ny tanamasoandro eny Imerintsiatosika ireo tompon’andraikitra amin’izao fotoana. Ankoatra izay, efa nanomboka ny 13 desmabra lasa teo ny fanamboarana ireo trano R+4 eny Ivato. Trano miisa 38 ahitana rihana 4 avy no vinavinaina ho amboarina aminn’izany. Natao mba hanomezana trano fonenana ho an’ireo vahoaka manana fari-piainana eo antenatenany ireto trano amboarina ireto. 80%n’ireo trano 9 efa andalam-panamboarana no efa vita amin’izao fotoana. Ny Agence Nationale d’Appui au Logement et à l’Habitat na Analogh no miandraikitra ny fanamboarana sy famitana ireto trano vaovao ireto. Araka ny nambaran’ny filoham-pirenena, atao antsapaka ny fanolorana sy fanomezana ireto trano ireto mba hisian’ny mangarahara. Tsy afaka hiteny mihitsy hoe tsy miasa ny fitondram-panjakana fa kosa angamba tsy mahita ireo tena laharam-pahamehana sy filàna fototry ny vahoaka izy.

Ally Herisoananahary

Laisser un commentaire