ActualitésTsidika

Fanolorana fitaovana ho an’ireo ankizy hanala fanadinana CEPE

Azo lazaina ho nizotra ara-dalàna ihany ny fianaran’ireo kilasim-panadinana izay voatery niverina an-tsekoly nandritra ny herinandro maromaro izay. Ho an’ireo mpanala fanadinana CEPE any amin’ireny sekolim-panjakana EPP ireny ato anatin’ny faritra Analamanga, natomboka omaly 27 may ny fizarana fitaovam-pianarana sy fiarovana amin’ny valan’aretina ho an’ireo mpianatra avy amin’ny fitondram-panjakana. Fitaovana maro toy ny gel disinfectant, arovava orona, trousse misy ireo fitaovana ilaina rehetra mandritra ny fanadinana no natolotra azy ireo. Ny Sampana miadidy ny asa sosialy sy ny politika eo anivon’ny fiadidina ny Repoblika izay naira-niasa tamin’ny Ministeran’ny Fanabeazm-pirenena no nanatontosa izao fizarana izao. Mitohy ny fanolorana fitaovana ho an’ireo mpanala fanadinana CEPE mba hanamaivanana ny fahasahiranan’ireo ray aman-dreny sy ho fampirisihana ireo mpianatra. Raha tsiahivina, ny 6 jolay 2021 ho avy izao no hiatrika ny fanadinam-panjakana voalohany ireto ankizy ireto. Mandrisika hatrany ihany ny amin’ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra mandritra ny fanatanterahana ny fanadinana sy ny famitana ny fampianarana fa mbola anaty ady amin’ny valan’aretina tanteraka isika izao.

Ally Herisoananahary

Laisser un commentaire