Fanaovana vaksiny ireo 18 taona no mihoatra
Mbola maro any ivelany ireo lavo sy mbola mitondra ilay tsimok’aretina coronavirus. Ho antsika eto Madagasikara, efa nahitana fihenenana ny tahan’ireo tranga vaovao na dia mbola tsy resy tanteraka aza ity valanaretina ity. Mbola mitohy hatrany ihany koa ireo fepetra sakana sy ireo fisoroana isan-karazany. Ao anatin’izany ny fanaovana ny vaksiny fanefitry ny covid-19. Maro ireo efa nahazo ny anjarany tamin’izany na ho an’ny eto andrenivohitra izany na ireo mihataka ny renivohitra. Nohamafisin’i Dr Rivomalala Rakotonavalona, filoha mpitantana ny fanaparitahana ny vaksiny anio zoma 28 may fa efa nisokatra omaly ny fanaovana vaksiny ireo rehetra 18 taona no mihoatra te hisitraka izany. Afaka manantona ireo toerana fanaoavana vaksiny rehetra noho izany ireo maniry ahazo izany vaksiny izany. Nilaza ihany koa ny solon-tenan’ny OMS eto Madagikara, Charlotte Faty Ndiaye fa hopotehina avokoa ireo vaksiny rehetra mbola tsy lany ny 17 jona ho avy izao. Ny 18 jona no lany daty ireto vaksiny voalohany ireto rah any nambaran’ny filoha isam-paritry ny fahasalamam-bahoaka eto Analamanga. Mbola tsy misy hatreto ny fanambarana mivantana na mahoby na tsia ity vaksiny ity.
Ally Herisoananahary
