Atsimo-Andrefana: Manohana ny fiverenan’ny mpianatra ny UNICEF
Niato nadnritra ny roa herinandro ny fampianarana tao amin’ny faritra Atsimo-Andrefana noho ny fandalovan’ny rivo-doza Freddy farany teo. Araka ny hita dia namela takaitra mafy tamin’ireo mponina ny fandalovan’iny rivo-doza farany teo iny. Manohana sy manampy tanteraka ireo mpianatra amin’izany fiverenana mianatra izany, izay amin’ny alalan’ny fampitaovana.
“Nanimba zavatra maro ny fandalovan’ny rivo-doza Freddy tany amin’iny faritra Atsimo iny. Misy ireo fitaovan’ny mpianatra no tsy afaka narenina intsony ka izany no antony hanampiana sy hanohanana azy ireo satria zo fototra ny fianarana ka tsy tokony hatao anjorom-bala”, hoy ny avy ao amin’ny UNICEF. Araka izany dia fampitaovana “kits scolaires” ho an’ny mpianatra mihoatra ny 30 000 no noamnin’izy ireo. Hasiam-panamboarana ihany koa ny efitrano fianarana nisy fahasimbana raha efa manomana efitrano fianarana vonjimaika ihany koa izy ireo izay efitrano miisa 200.
“Zo tokony ho sitrahan’ny ankizy rehetra ny mianatra ka rarainy raha tohanana. Efa misy ihany koa ny fanangonana izay votsirambin’ny tananan’ny tsirairay entina hanampiana ireo mpianatra ireo. Misy fiantraikany amin’ny ankizy mantsy ny fitoavam-pianara,na tsy ampy ka izay no tokony hifanomezan-tanana amin’ny fanohanana azy ireny”, hoy i Dina, mpitarika fikambanana iray mpanampy ny mpiara-belona.
Ankoatra ny fanampiana avy amin’ny tsirairay sy ny UNICEF dia tsy tapitra hatreo ny asa hataon’izy ireo fa mbola hanohana ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena ihany koa amin’ny fanorenana efitrano afaka miady amin’ny rivo-doza. Raha tsiahivina moa dia miisa 110 000 ireo mpianatra voakasiky ny olana amin’ny foto-drafitr’asa noho iny rivo-doza iny.
Miora Raharisolo
