ActualitésTsidika

Total Energies: Mety hiakatra hatramin’ny 10% ny karaman’ny Filoha Tale Jeneralin’ny orinasa

Taorian’ny fivoriana izay nataon’ny Filankevi-pitantanan’ny orinasa dia nisy ny soso-kevitra izay naroson’izy ireo mahakasika ny karaman’ny Filoha Tale Jeneraly. Mety hampitomboana hatramin’ny 10% araka izany ny karaman’ity Filoha ity. Ny anton’ny fampiakarana izany karama izany dia izy ity izay tsy mitovy amin’ny tokony ho karaman’ireo olona mitovy andraikitra amin’ny tenany. Raha tsiahivina mantsy dia nihena hatramin’ny 36.4% izany karamany izany ny taona 2020 noho ny krizy ara-pahasalamana iny. Raha 6.15 tapitrisa euros izany karamany izany ny taona 2019 dia mbola tsy nivoaka kosa izany karamany izany amin’ity fanovana ity.

Laisser un commentaire