CENI: Handalo fitsirihana ny rindrambaiko izay hampiasaina
Dépêche 17 mars, 13h, Handalo fitsirihina na “audit” ny rindram-baiko izay hampiasain’ny Vaomiera Mahaleotena misahana ny fifidianana. Ny tanjona amin’izany dia ny mba hisian’ny zotram-pifidianana mangarahara fa indrindra handraisan’ny rehetra anjara. Ny vondron’ny firenena miteny frantsay (OIF) no hanao izany ary hampahafantarina ny olom-pirenena ny valiny mialohan’ny 23 martsa ho avy izao. Ankoatra izany dia hisy ihany koa ny dinika hahafahana manatratra io tanjona io izay handraisan’ny firaisamonim-pirenena anjara, ny mpanao politika, ny haino vaky jery ary ireo vondrona sy rafi-piaraha-monina samihafa.
