Covid-19 : Nankatoavina ny fampidirana ny fatra faharoa amin’ny vaksiny
11 Febroary, 08h00. Mbola mitohy ny ady amin’ny Covid-19. Tapaka nandritra ny filan-kevitry ny minisitra omaly 10 febroary teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha fa hoampidirina ny fatra amin’ny vaksiny fanefitry ny Covid-19. Tsy ato an-tery ny fanaovana io vaksiny io. Mbola tsy voafatitra mazava kosa ny fotoana higadonany.
