Tontosa ny fiofanana mahakasika ny famoronana angano
28 Desambra, 09h00. Nanatanteraka fiofanana mahakasika ny famoronana angano ireo mpandray anjara nahazo mari-pankasitrahana tamin’ny fifaninanana « conte illustré » ny 30 novambra 2021 lasa teo. Ny Minisiteran’ny Fanabeazam-Pirenena amin’ny alalan’ny fitaleavana misahana ny fampiroboroboana ny fampitaovana an-tsekoly na « Direction du Développement des Intrants Scolaires (DDIS) » sy ny UNICEF no nikarakara sy nanatontosa ny hetsika. Mpifaninana miisa 23 no voafantina niatrika izany fiofanana izany ary naharitra efatra andro nanomboka ny alatsinainy 20 desambra 2021 hatramin’ny alakamisy 23 desambra 2021 teo izany.
