Fankalazana ny Paka: Manentana amin’ny fitsirihana ny fiara ny mpitandro filaminana
Dépêche 04 avril, 12h, Ho fampihenana ny lozam-pifamoivoizana dia manamafy ny fanentanana ny amin’ny fitsirihana fiara ny mpitandro filaminana. Am-polony isan’andro ny olona matin’ny lozam-pifamoivoizana rehefa ankatokin’ny Paka toy izao ka izany no antony hanatanterahana ny hetsika. Hetsika fanentanana manerana ny toby fiantsonana sy eny an-dalana, iaraha-miasa amin’ny polisim-pirenena sy ny zandarimariam-pirenena nanomboka androany 3 hatramin’ny 16 avrily izany ho atao izany. Hisy ny sazy ho an’ny olona tsy manara-dalàna. Mifanindran-dalana amin’izany dia hisy ihany koa ny fitsirihana tampoka eny amin’ny lalam-pirenena. Fiarovana ny ain’ny tsirairay ny anton’izany ka samy tokony handray andraikitra amin’izany avokoa ny tsirairay.
