Dépêches

Foto-drafitr’asa : Mitohy hatrany ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena faharoa

Dépêche 14 février, 12h, Mbola andalam-panamboarana ny lalam-pirenena faharoa tanteraka ankehitriny ny tompon’andraikitra amin’izao fotoana izao. Eo amin’ny PK78 eo Anjiro amin’izao fotoana ireo orinasa mpanamboatra no manao izany fanamboarana izany. Ny fanotofana ireo lavaka amin’ny alalan’ireo fitaovana voafantina ary ny fanokafana ireo lalan-drano no asa tanterahina, mialohan’ny famendrahana tara. Araka ny fantatra dia eo am-piandrasana ilay vola avy amin’ny Ba,nque Mondiale dia anaty hamehana hatrany ity asa ity izay vatsian’ny Fitondram-panjakana vola.

Laisser un commentaire