ActualitésTsidika

Oniversiten’Antananarivo : Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny American Corner Antananarivo

Nosokafana tamin’ny fomba ny zoma teo ny American Corner Antananarivo ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo. Ny tena tanjona lehibe amin’izany dia ny hahafahana mahazo vaovao momba an’i Etats-Unis sy maneran-tany. Fiaraha-miasa eo amin’ny masoivohon’i Etats-Unis eto Madagasikara, ny oniversiten’Antananarivo ary ny sampam-piofanana Anglisy ao amin’ny fakiolten’ny teny sy soratra ity toerana ity.

« Handray hetsika maro ihany koa ny American Corner, toy ny fampianarana teny anglisy sy kolontsaina amerikana. Izay rehetra manodidina ny kolontsaina Amerikanina dia afaka arahina ao amin’ity ivon-toerana ity avokoa », hoy ny solontenan’ireo mpianatra avy ao amin’ny sampam-piofanana Anglisy.

« Toerana tsara haparitaka. Tetik’asa afaka entina amin’ny tontolo ambanivohitra. Maro ny tanora te hahay izany anglisy izany amin’ny sehatra amabany vohitra, eny fa na dia 20km miala ny renivohitra fotsiny aza ka azo atao tsara ny mitondra izany eo amin’ny tontolon’izy ireo », hoy i Mamisoa, mpampianatra amin’ny Ambaratonga faharoa any Mahitsy.

Amin’izao fotoana dia misokatra ho an’ny mpampianatra, mpianatry ny ambaratonga ambony sy ny olon-drehetra eto Antananarivo io ivon-toerana io. Ahitana fitaovana avo lenta maro toy ny solosaina, ny imprimante 3D ary internet ihany koa, izay mitentina 50 000 USD. Ankoatra ity eto Antananarivo ity moa dia misy American corner ihany koa any amin’ny faritra hafa toa an’i Mahajanga sy Taolagnaro.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire