Mpanakanto : Hanao fampisehoana eto Madagasikara ny JS Twins
Efa tonga eto Madagasikara ny sabotsy teo ireo mpanakanto ao amin’ny JS Twins, izay mpirahalahy kambana Malagasy, lehibe tany La Réunion sy France. Hisy ny fampisehoana ataon’izy ireo ny 22 jolay 2022 ao amin’ny Canal Olympia Andohatapenaka.
« Io no fampisehoana voalohany ataon’izy roa lahy kambana eto Madagasikara. Ilay hira « avelao » no nahafantaran’ny maro azy » hoy ny mpikarakara. « 15 taona lasa izay no nandalovanay teto Madagasikara. Hijanona eto mandritra ny 3 herinandro izahay. Tena faly tokoa tonga eto ary manantena fihaonana mahafinaritra amintsika mpankafy » hoy ireto kambana.
I Malala sy Alain Mathile no anaran’izy ireo raha Jayzo sy Slimjee no anarany rehefa miakatra an-tsehatra. Efa mpanakanto fanta-daza tokoa izy roa lahy ireto ary tsy vitsy ny mahalala azy.
Nicole Rafalimananjara
