ActualitésTsidika

Anjeva : Nametrahana jiro ireo fiangonana ao an-toerana

 Nasiana jiro mitondra hazavana avokoa ireo fiangonana miisa 8 ao amin’ny kaominina Anjeva, tamin’ny faran’ny herinandro teo. Ho fitsinjovana ireo mpanao alim-bavaka nandritra ny fankalazana ny fetin’ny noely tao an-toerana no nametrahana izany, raha ny voalaza.

« Ao anatin’ny hetsika izay ataon’ny ben’ny tanàna hatrany, dia nisy ny fizarana ireo jiro izay manome hazavana ny tanàna. Nasiana jiro avokoa ireo fiangonana izay nanao alim-bavaka tety an-toerana » hoy ny ben’ny tanàna ao Anjeva.

« Mahafinaritra hatrany ny fanatanterahana hetsika manakaiky sy mitsinjo ny vahoaka tahaka izao, zay hisaorana ny tomponandraikitra hatrany izany satria rehefa misy ny fandraisana andraikitra dia milamina ny mponina” hoy i Ravo, mponina ao Anjeva.

Zava-dehibe na eo amin’ny lafin’ny fandriam-pahalemana na eo amin’ny lafin’ny fanatsarana ny tanàna tokoa ny hetsika tahaka izao. Ny fanentanana ny mponina amin’ny fikajiana ireny fitaovana ireny sy ny fanajana azy ihany koa dia tokony hifanindran-dalana amin’izany.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire