ActualitésTsidika

Voasambotry ny polisy ireo tompon’antokin’ny fanafiahana tany Ambanja

Mahazo vahana mihitsy ny tsy fandriam-pahalemana tato ho ato, tsy hoe ny mpitandro filamianna no tsy manao ny asa fa ny dahalo ihany koa no efa mitombo isa.  Vao tsy ela izay no nisehoana fanafihana mitam-piadiana tany Ambanja.

Tsy mipetra-potsiny manoloana ny fanafihana tahaka izany izahay izahay dia hiaro hatrany ny vahoaka sy ny fananany hoy ny Polisy. Lehilahy miisa 07 voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny tranga fanafihana mitam-piadiana niseho tany Ambanja no voasambotr’izy ireo. Ny 02 efa any am-ponja fa ny 05 mbola atao famotorana ao amin’ny Commissariat Ambanja hoy hatrany ny fanzavana.

Mahafinaritra mihitsy rehefa misy vokany tahaka izao ny asan’ny mpitandro filaminana hoy ny mponina iray tany an-toerana. Mitohy kosa ny fikarohana ireo mpiray tsikombakomba amin’izy ireo. Tsy vitan’ny mpitandro filaminana samirery anefa ny hamantatra ny olon-dratsy fa izay indrindra no ilaina ny fiaraha-miasa avy amintsika vahoaka.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire