ActualitésTsidika

Kaominina Fandriana : Nankatoavina ireo drafitr’asa amin’ireo tontolo hivelomana ao amin’ny Distrikan’i Fandriana

Tokantrano miisa 6 000 no hisitraka ny Tetik’asa « Asa Avotra Mirindra » ato amin’ny Distrikan’i Fandriana.Tetik’asa avy amin’ny fitondram-panjakana, vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola, tantanan’ny FID « Fonds d’Intervention pour le Développement » ary eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny mponina. Notanterahina teto amin’ny kaominina Fandriana ny dinik’asa handinihana ireo sehatr’asa ho tanterahina eto amin’ny kaominina. Miompana amin’ny fambolena sy ny fiompiana ny tetik’asa. Hampivoatra ny tontolo ambany vohitra sy ny faripiainan’ny vahoaka marefo hatrany no tanjona amin’izao tetik’asa izao.

« Tanterahina any amin’ny tontolo ambany vohitra hatrany tetik’asa hampivoarana ny mpaboly sy ny mpiompy satria mbola ireo sehatra ireo no hahafahana mampiakatra ny fari-piainan’ny Malagasy amin’ny fampitomboana ny vokatra ka hampihenana ny fanafarana eto Madagasikara » hoy n tompon’andraiktra avy ao amin’ny FID. « Tsy hoe tsy mahay mamboly izahay fa ilainay tokoa ny fanampiana sy ny tosika ohatran’izao hahafahanay mampitombo ny vokatra avy aty ambany vohitra hoentina any andrenivohitra any » hoy i Fidy, mponina ao Fandriana, mety hisitraka ny tetik’asa.

Tsara ny fananana eriteritra ny hanampy ireo marefo sy ny hampiakatra ny fari-piainany, ilaina miaraka amin’izany ihany koa ny fitsinjovana ireo foto-drafitrasa rehetra sy fitaovana ilaina amin’ny fampivoarana ara-tsaina satria miteraka ireny mpamboly ireny, tiany raha mba tafita ny zanany.

Miora Raharisolo 

Laisser un commentaire