Pays-Bas : Tadion’oram-panala voalohany tao anatin’ny 10 taona.
Voalohny tao anatin’ny 10 indray vao nisehoana oram-panala goavana tao Pays-bas, ny alahady 07 febroary lasa teo. Nikorontana ny fifamoivoizana rehetra tao an-toerana. Namakivaky ny avaratr’i Eropa iny ilay tadion’oram-panala. Nandefa fanairana “code rouge” manerana ny firenena ny masoivoho mpampantatra ny toetrandro néerlandais ny alahady teo. Hatsiaka mampivaingana sy rivotra nahatratra 90km/h no niseho tany an-toerana tamin’io andro io. Nohidian’ny fanjakana néerlandais avokoa ireo ivontoeram-panaovana fitiliana coronavirus any an-toerana nohon’ny fahamatoran’ny toe-javatra. Miomana hiaina anaty hatsiaka goavana anefa ny firenena mandritra ny 10 andro ho avy. Rakotra rano mandry mahatratra 5 ka hatramin’ny 10 cm ny ankamaroan’ny faritra ao Pays-Bas. 30 cm kosa ny atevin’ny amin’ny tany, hoy ny mpampita vaovaom-panjakana NOS. tsy misy miasa arak’izany ny lalamby any an-toerana hatramin’ny alahady atoandro ho avy izao. Mitotaly 85 ireo fiara nivoaka ny fifamoivoizana noho ny halaman’ny lalana. Tsy tokony hatao arak’izany ny mivoaka ny trano hoy ny fitadram-panjakana néerlandais. Na izany aza, nampitsiry fanantenana ao Pays-bas ihany ny faharatsian’ny toetrandro any amin’izy ireo. Mivaingana ny lakandrano ary afaka manao “patinage” ambony rano mandry izy ireo. Pays-bas izay firenena Fanta-daza amin’io karazana fanatanjahan-tena io.
