Repoblika Malagasy: Hanaovana tombana ireo Ministra
Hiroso amin’ny fanaovana tombana ireo mpikambana ao anatin’ny Governemanta ny filoham-pirenena. Hisy ny fandraisana fanapahan-kevitra mikasika izany. “Hanaovana tombana ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta. Ministra vitsivitsy no hosoloina amin’izany” hoy ny avy ao amin’ny Departemantan’ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny daholobe. “Isaorana ireo mpikambana ato amin’ny governemanta tamin’ny asa vitan’izy ireo hatramin’izay. Nisy ny lesoka nandraisana lesona tao anatin’ny 7 volana niarahana niasa” hoy ny Filohan’ny fiadidiana ny Repoblika Malagasy, Rajoelina Andry. Andrasan’ny rehetra ny valin’ny tombana. Iza no hiala ary iza no mbola ho voatazona?
