Actualités

République Démocratique du Congo : Nahitana trangana Ebola indray.

Nahitana trangana valanaretina Ebola indray tao RDC Atsinanana, ny alahady 07 febroary. Tsy niandry ela ny fikambanambe iraisam-pirenena momba ny fahasalamana (OMS), fa nandefa ekipa tany an-toerana. Vehivavy mpamboly iray, maty tamin’ny trangana Ebola farany tany an-toerana no voalaza fa nahitan ilay soritraretina, ny 1 febroary lasa teo. Aretina iza tena mifindra aingana ny Ebola hoy ny ministeran’ny fahasalamana any an-toerana. Maty tamin’ny 3 febroary lasa teo io vehivavy io. Nivoaka ny valin’ny fitilina rà natao taminy taorian’ny nahafatesany. Fantatra arak’izany fa ny valanaretina ebola no nahafaty io vehivavy io hoy ny ministeran’ny fahasalamana. Efa nanomboka ny famafazana ranom-panafody hamonoana ny otrik’aretina amin’ireo toerana rehetra nandalovan’io vehivavy maty io, hoy ny OMS. Tao Butembo, atsinanan’I RDC no nonina io vehivavy io. Tao amin’io toerana io ihany koa no voalaza fa nisehan’ny aretina Ebola betsaka indrindra tamin’ny farany. Ny 18 novambra 2020 no nanambarana ny faran’ny tranga faha 11 n’ny aretina Ebola tao amin’ny faritany Equateur, Avaratra-Andrefan’I RDC. 55 ireo maty tamin’izany ary miisa 130 ireo olona fantatra fa nitondra ny tsimonkaretina. Taorian’io daty io no nahafantarana ny mahakasika ity ramatoa maty ity. Ny 16 octobra 2020 no nanambarana ny fahasitranan’ny mararin’ny Ebola farany tao amin’io faritany congolaise io. Tsy nanambara ny tranga faha 12 n’ny Ebola ny minisitra Eteni, ny alahady 07 febroary lasa teo. Efa nanambara kosa izy tamin’ny tapaky ny volana novambra 2020 fa mbola azo eritreretina foana hatreto ny fiverenan’ny valanaretina Ebola ao RDC.

Laisser un commentaire