ActualitésTsidika

Alasora : Lehilahy iray tratran’ny fokonolona nangalatra kisoa

Lehilahy iray no tratran’ny fokonolona tao amin’ny fokontany Ambohidrazaka, kaominina Alasora teo am-pangalarana kisoa. Tranga efa niverina matetika tao amin’ny kaominina izao, araka ny voalaza. Mahazo vahana ny tsy fahandriam-pahalemana ao an-toerana ary manjaka ny halatra ka ireo biby fiompy no tena lasibatra ao anatin’izany.

« Miantso ny mpitandro filaminana handray fepetra, hanao fanadihadiana ihany koa fa efa maro ny tranga tahaka izao tety Alasora. Vao tsy ela izao no nisy mpangalatra kisoa ihany nifanenjehana tety tratra namoha tranon-kisoa » hoy i Manda, mponina ao Alasora.

« Manjaka ny tsy fandriam-pahalemana amin’izao fotoana izao. Hita taratra ny fahasahiran’ny mponina eo amin’ny fiainana andavan’andro. Tokony samy mailo avokoa ny tsirairay ary miantso ireo tomponandraikitra hijery ny zava-misy, handray fepetra manoloana ny tsy fandriam-pahalemana » hoy i Rafidy, mpahay fiaraha-monina.

Anisan’ny mahatonga ny fokonolona hiray hina sy hampiatra ny fitsaram-bahoaka ny tranga toa izao. Tsy azo atao anefa izany amin’ny maha tany tan-dalàna ny firenena. Miandry ny fandraisan’andraikitr’ireo manam-pahefana araka izany hanome sazy mendrika izao asa ratsy izao.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire