Seychelles : Nihena ny trosan’ny firenena
Nihena ny trosan’i Seychelles raha ny tatitrin’ny lehiben’ny irakan’ny FMI, Calixte Ahokpossi. Nanao io fanambarana io izy taorian’ny fanatanterahany iraka nandritran’ny roa herinandro tao amin’ny nosy momba ny drafitry ny fandinihana fahatelo ny fandaharan’asa ara-toekarena sy ara-bolan’ny firenena izay notohanan’ny EFF (arrangement du Mécanisme élargi de financement).
Ny sehatra ara-mpizaha tany hoy i tompon’andraikitra io no nitarika io fihenan’ny trosan’i Seychelles io. Nanafaingana ny fanarenanana ny toe-karena izay narefo ny taona lasa teo izany raha ny fanamafisany ary mbola hihatanjaka. Herevrina fa hahatratra 50% ny harin-karena faobe ny fihenan’ny trosa amin’ny taona 2026 hoy i Calixte Ahokpossi.
