Valan-java-boahary Tsimbazaza: Maty noho ny aretina ireo biby sasany ao aminy
Misy biby maromaro volaza fa maty tao amin’ity Valanjava-boahary ity ka nandraisana fepetra avy hatrany izany taorian’ny fitiliana natao. Biby anisan’ny mampiavaka an’ny Madagasikara mihitsy ireo maty ireo, « sifaka » miisa 8.
Rehefa natao ny fitialiana dia fantatra fa ny aretina raboka (tuberculose) no mahazo ireto biby ireto ka nitarika izao fahafatesany izao. Miisa 8 ireo sifaka maty ary nanaovana fitiliana avokoa ireo biby hafa mabiny k any 12 tamin’izy ireo nahitana valina fitiliana nihabo ka nahiboka avy hatrany sy tsaboina daholo aloha. Ireo mpandraharaha ao an-toerana kosa dia tsy misy mitondra ity aretina ity hatreto fa mbola afaka miasa tsara.
« Tsy fantatra izay tena fihavian’izao loza izao fa eo ampanaovana fanadihadiana izahay ary noraisina ny fepetra ary nohamafisina ny amin’ny tsy fanomezana sakafo ireo biby ireo na karazan-tsakafo inona izany na karazan-tsakafo inona », hoy ireo avy ao amin’ny Ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika, izay tompon’andraikitra voalohany amin’ity vala ity.
« Efa natao fitiliana ireo mpiasa ao amin’ny Parc, ary tsy misy mitondra ny tsimok’aretina ka mbola afaka miasa ary mbola misokatra ho an’ny sarambabem-bahoaka ny toerana. Ireo biby marary kosa efa nahiboka ary tsaboina », hoy ny mpitantana ny valan-java-boahary Tsimbazaza.
Ilaina fitandremana ireo biby hapetraka ao an-toerana ireo ary ilaina fanaraha-maso fatratra satria anisan’ny toerana iray hahafahana mitahiry ireny biby mampiavaka an’ny Madagasikara ireny ity toerana ity ka raha sanatria maty ireo dia ziay vao tena ho lany tamingana ireo biby maro be isan-karazany.
Miora Raharisolo
